Salamo 13 - Malagasy Bible(MG1865)

1Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, mandra-pahoviana no mbola hanadinoanao ahy ihany? Mandra-pahoviana no mbola hanafenanao ny tavanao amiko?

2Mandra-pahoviana no mbola hisaintsainako am-panahy, sy hahalahelovako am-po isan'andro? Mandra-pahoviana no mbola hisandratan'ny fahavaloko ho amboniko?

3Jereo aho ka valio, Jehovah Andriamanitro ô; ampahazavao ny mazoto, fandrao renoky ny torimaso fahafatesana aho;

4Fandrao ny fahavaloko hanao hoe: naharesy azy aho, fandrao hifaly ny rafilahiko, raha mangozohozo aho.

5Fa raha izaho kosa, dia ny famindram-ponao no itokiako; ho faly amin'ny famonjenao ny foko.

6Hihira ho an'i Jehovah aho, satria nanisy soa ahy Izy;

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help