Joba 21 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny teny navalin'i Joba

1Dia namaly Joba ka nanao hoe:

2Mihainoa dia mihainoa ny teniko, Ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.

3Mandefera amiko ianareo, fa mba hiteny kosa aho izao; Ary rehefa tapitra ny teniko, dia mandatsalatsà ihany indray ianareo.

4Raha ny amiko, moa ny ataon'ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?

5Jereo aho, dia aoka ho talanjona ianareo, ary mitampena vava.

6Eny, raha mahatsiaro izany aho, dia raiki-tahotra, sady toran-kovitra ny tenako:

7Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratrantitra no be hery?

8Ny zanany koa mitomoetra tsara eo anatrehany, ary ny zafiny eo anoloany.

9Ny ankohonany miadana ka tsy manan-tahotra, ary ny tsorakazon'Andriamanitra tsy mamely azy.

10Ny ombilahiny mampiteraka ka mahavanona; Ny ombivaviny miteraka ka tsy mamotsotra.

11Mamoaka ny zanany madinika toy ny ondry aman'osy izy, ka mikoriana ny zanany.

12Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin'ny feon-tsodina.

13Mandany ny androny amin'ny fahafinaretana izy; Amin'ny indray mipi-maso monja no idinany any amin'ny fiainan-tsi-hitaHeb. Sheola.

14Kanefa anie ireo no manao amin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.

15Zinona izay Tsitoha, no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay, raha mivavaka aminy?

16Indro, tsy avy amin'ny tenanyHeb. tsy eo an-tànany ihany ny fahafinaretany! Ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy!

17Indraindray foana no mba maty ny jiron'ny ratsy fanahy, sy tonga ny loza manjo azy. Ary amelaran'Andriamanitra fandrika irenyNa: izaran'Andriamanitra fahoriana ho an'ireny noho ny fahatezerany,

18Ka tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin'ny rivotra izy sy tahaka ny akofa entin'ny tafio-drivotra.

19Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny helodrainy! Tsia; fa ny tenan'ireny ihany no aoka hovaliany, mba hahalalany.

20Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran'ny Tsitoha.

21Fa mampaninona azy moa ny amin'ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan'ny androny?

22Moa Andriamanitra va no hampianarim-pahalalana, nefa Izy no mitsara ny any an-danitraHeb. avo aza?

23Maty ny anankiray, raha tsy mbola mihena ny fahatanjahany, sady miadana tokoa ka tsy manana ahiahy;

24Feno ronono ny fitoeran-dronononyNa: Manotraka ny kibony, ary vonton-tsoka ny taolany.

25Ary ny anankiray maty amin'ny fahorian'ny fanahiny kosa ka tsy mba nanandrana soa akory.

26Samy mandry ao amin'ny vovoka izy roa tonta, ka feno olitra ny tenany.

27Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;

28Fa hoy ianareo: Aiza ny tranon'ny mpitohatohaNa: Manotraka ny kibony? Ary aiza ny lay fitoeran'ny ratsy fanahy?

29Kanefa tsy mba nanontany tamin'ny mpandeha amin'ny tany lavitra va ianareo? Ary tsy heverinareo va ny zava-mahagagaHeb. famantarana, ambaran'Ireo hoe:

30Amin'ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy, ary amin'ny andro fahatezerana dia enti-miala izy?

31Iza no hanambara ny lalany eo anatrehany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no sahy hamaly azyNa: Azy?

32Ary ho entina ho eny an-tany fandevonana izy ka mbola hitazanaNa: mbola misy miambina ao am-pasana;

33Ho mamy aminy ny bainga any an-dohasaha, ary ny olona rehetra hanaraka azy, toy ny nandehanan'ny maro tany alohany.

34Endrey! ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary ny famalianareo anefa, raha voasana tsara, dia lainga ihany!

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help