Salamo 97 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny fisehoan'ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny hery izay maharava ny sampy, fa mahasoa ny mpanompon'Andriamanitra kosa

1Jehovah no Mpanjaka, aoka ho faly ny tany; Aoka ho ravoravo ny nosy maro.

2Rahona sy aizim-pito no manodidina Azy Fahamarinana sy fitsarana no fanorenan'ny seza fiandrianany.

3Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.

4Mahazava izao tontolo izao ny helany; Mahita izany ny tany ka mihorohoro.

5Ny tendrombohitra miempo tahaka ny savoka eo anatrehan'i Jehovah, Dia eo anatrehan'ny Tompon'ny tany rehetra.

6Ny lanitra maneho ny fahamarinany, Ary ny firenena rehetra mahita ny voninahiny.

7Aoka ho menatra izay rehetra manompo sarin-javatra voasokitra sy miarahaba tena ny amin'ny andriamani-tsi-izy; Miankohofa eo anoloan'i Jehovah ianareo andriamanitra rehetra.

8Ziona mandre ka faly; Ary ravoravo ny zanakavavin'i Joda Noho ny fitsaranao, Jehovah ô.

9Fa Hianao, Jehovah ô, no avo indrindra ambonin'ny tany rehetra; Efa avo ambonin'ny andriamanitra rehetra Hianao.

10Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy; Miaro ny fanahin'ny olony masina Izy Ary mamonjy azy amin'ny tanan'ny ratsy fanahy.

11Ny fahazavana no voafafy ho an'ny marina, Ary ny fifafiana ho an'ny mahitsy fo.

12Mifalia amin'i Jehovah, ry olo-marina, Ary miderà ny anarany masinaNa: ny fahatsiarovana ny fahamasinany.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help