Salamo 147 - Malagasy Bible(MG1865)

Haleloia ho an'ny Mpanohana izao rehetra izao, Izay nampody ny fahatsaran'i Jerosalema

1Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an'Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana.

2Manangana an'i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy.

3Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.

4Milaza ny isan'ny kintana Izy: Samy tononiny amin'ny anarany ireny rehetra ireny.

5Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany.

6Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin'ny tany.

7Mihirà fiderana ho an'i Jehovah; Mankalazà an'Andriamanitsika amin'ny lokanga,

8Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin'ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra,

9Manome hanina ho an'ny biby Izy Sy ho an'ny zana-goaika izay mitaraina.

10Tsy ny herin'ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany.

11Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony.

12Mankalazà an'i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an'Andriamanitrao, ry Ziona ô.

13Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao.

14Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao.

15Mampandeha ny didiny ho amin'ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny.

16Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazoHeb. volon'ondry Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.

17Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany?

18Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano.

19Milaza ny teniny amin'i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin'Isiraely.

20Tsy nanao toy izany tamin'izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr'ireny. Haleloia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help