Isaia 18 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny haneken'ny Etiopiana an'i Jehovah noho ny handrenesany ny nandringanana ny Asyriana

1Indrisy ny tany be fibiziziokan'elatra! Izay any an-dafin'ny onin'i Etiopia,

2Izay mampandeha iraka eny ambonin'ny ranomasina, ao anaty lakan-jozoro ambonin'ny rano, ka manafatra azy hoe: Mandehana, ry iraka faingam-pandeha, ho any amin'ny firenena lava tsangananaNa: ela fiainana sady mandimandina, any amin'ny olona mahatahotra hatreto ka hatrany hatranyNa: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny, dia firenena mpanao teny tsy valianaNa: matanjaka indindra; na: mahery mamaritra tany ho azy sady maherisetraHeb. manitsakitsaka, izay vakin'ny ony maro ny taniny.

3Ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao sy mpitoetra etỳ ambonin'ny tany! Raha misy faneva atsangana eo an-tampon-tendrombohitra, dia mijere ianareo, ary raha misy anjomara tsofina, dia mihainoa.

4Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko hangina Aho aloha ka hijery eto amin'ny fitoerako, raha mbola mipoaka tsara ny hainandro, ary misyNa: Toy ny hainandro mipoaka tsara sy ny zavonaHeb; rahon'ando amin'ny hainandro fararano.

5Fa raha mbola tsy tonga ny fararano, rehefa tapitra ny fitsimohany, ka efa mby am-boany ny voniny, dia horantsanany amin'ny fanetezam-boaloboka ny rantsany, ary hotapahiny sy hesoriny ny sakeliny.

6Dia hafoy avokoa izy ho an'ny vorona mpihaza eny an-tendrombohitra sy ho an'ny biby eny ambonin'ny tany; ary ny vorona mpihaza handany fahavaratra any; Ary ny biby rehetra ambonin'ny tany handany ririnina any.

7Amin'izany andro izany dia hisy fanomezana ho entina ho an'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia firenena lava tsangananaNa: ela fiainana sady mandimandina, ary avy amin'ny firenena mahatahotra hatreto ka hatranyNa: hatramin'ny niandohany ka mandraka ankehitriny hatrany dia firenena mpanao teny tsy valianaNa: matanjaka indrindra; na: mahary mamaritra tany ho azy sady maherisetraHeb. manitsakitsaka, Izay vakin'ny ony maro ny taniny ho ao amin'ny fitoeran'ny anaran'i Jehovah, Tompon'ny maro, dia ny tendrombohitra Ziona.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help