Salamo 93 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny fiandrianan'Andriamanitra

1Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.

2Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin'ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.

3Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.

4Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr'i Jehovah any amin'ny avo.

5Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help