Salamo 143 - Malagasy Bible(MG1865)

Faniriam-pamindram-po noho ny fahoriana mafy

1Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny fivavako, ary atongilano amin'ny fifonako ny sofinao; Valio aho araka ny teninao marina sy ny fahamarinanao.

2Ary aza dia mifandahatra amin'ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.

3Fa nanenjika ny fanahiko ny fahavalo; Namely ny aiko ho lavo tamin'ny tany izy: Nampitoeriny tao amin'ny maizina aho, toy izay efa maty ela.

4Dia reraka ny fanahiko ato anatiko; Fadiranovana ny foko ato anatiko.

5Mahatsiaro ny andro fahiny ho Ary misaina ny asanao rehetra; Ny asan'ny tananao no eritreretiko.

6Mananty tanana aminao aho; Ny fanahiko dia tahaka ny tany mangetana eo anatrehanao.

7Faingàna hamaly ahy, Jehovah ô, fa reraka ny fanahiko; Aza manafina ny tavanao amiko, Fandrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.

8Ampandreneso ny famindram-ponao aho nony maraina, Fa Hianao no itokiako; Ampahalalao ahy izay lalana tokony halehako, Fa aminao no ananganako ny fanahiko.

9Jehovah ô, vonjeo amin'ny fa-havaloko aho; Ao aminao no iereko.

10Ampianaro hanao ny sitraponao aho; Fa Hianao no Andriamanitro; Aoka ny Fanahinao tsara no hitarihanao ahy amin'izay tany marina.

11Noho ny anaranao, Jehovah ô, velomy aho; Araka ny fahamarinanao avoahy ny fanahiko ho afaka amin'ny fahoriana.

12Ary araka ny famindram-ponao fongory ny fahavaloko, Ka aringano izay rehetra mampahory ny fanahiko; Fa mpanomponao aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help