Joba 17 - Malagasy Bible(MG1865)

1Efa ho ritra ny aiko; Efa milopilopy ny androko; Efa miandry ahy ny fasana.

2Eny, fanesoana tokoa no manodidina ahy, ary tsy maintsy mijery ny filany ady amiko aho.

3Masina Hianao, aoka ny tenanao ihany no hiantoka ahy aminao; Fa iza moa no hety hiantoka ahy?

4Fa ny fon'ireto dia voahidinao tsy hidiran'ny fahalalana; koa izany no tsy hanandratanao azy.

5Izay manolotra ny sakaizany ho babo, dia ho pahina kosa ny mason'ny zanany.

6Ary efa nanao ahy ho ambentinteny amin'ny firenena Izy, ka rorany mandrakariva ny tavako.

7Efa pahina ny masoko noho ny alahelo; Ary efa toy ny aloka ny momba ny tenako rehetra.

8Ankona noho izany ny olona mahitsy, ary ny tsy manan-tsiny mihendratra mahita ny mpihatsaravela-tsihy.40

9Fa ny marina mifikitra tsara amin'ny halehany, ary izay madio tanana no hitombo hery.

10Avia avokoa indray ary ianareo rehetra tsy mahita izay olon-kendry eo aminareo aho.

11Mihelina ny androko, voaongotra ny fikasako. Dia izay hevitra fikirin'ny foko indrindra;

12Ny alina ataon'ireny ho antoandro, ary ny mazava ho efa akaiky, nefa tamy ihany ny maizina.

13Raha mbola misy antenaiko, dia ny fiainan-tsi-hitaHeb. Sheola fonenako ihany; Ao amin'ny maizina no hamelarako ny fandriako.

14Ny fasanaNa: Ny fahalòvana no nantsoiko hoe: Raiko ianao; Ary ny kankana: Reniko sy anabaviko ianao.

15Fa aiza ary ny fanantenako? Ary iza no mahita azy?

16Midina any amin'ny vavahadin'ny fiainan-tsi-hitaHeb. Sheola izany, raha mba hahita fitsaharana ao amin'ny vovoka aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help