Salamo 65 - Malagasy Bible(MG1865)

Fiderana an'Andriamanitra noho ny ataony, fa indrindra noho ny anomezany ny vokatry ny tany

1Ho an'ny mpiventy hira.Salamo nataon'i Davida. Tonon-kira. Ho anao ny fanginana sy ny fideranaNa: Ny fiononana dia fiderana ankasitrahinao, Andriamanitra any Ziona ô, ary aminao no anefana ny voady.

2Ry Mpihaino vavaka ô, Hianao no hohatonin'ny nofo rehetra.

3Ny zava-mahameloka ahy dia mihoatra noho izay zakako; nefa Hianao no mamela ny fahadisoanay.

4Sambatra izay fidinao ka ampanatoninao hitoetra eo an-kianjanao; Te-ho voky ny zava-tsoa ao amin'ny tranonao izahay dia ny zava-masina ao amin'ny tempolinao.

5Zava-mahatahotra no ataonao amin'ny fahamarinana ho valin'ny vavakay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, ry tokin'ny faran'ny tany rehetra sy ny ranomasina eny lavitra eny.

6Mampiorina ny tendrombohitra amin'ny heriny Izy, misikina fahatanjahana Izy.

7Mampitsahatra ny firohondrohon'ny onjan-dranomasina Izy, sy ny fitabataban'ny firenena.

8Dia matahotra noho ny famantaranao ny mponina any am-paran'ny tany; ny any amin'ny fiposahan'ny maraina sy ny hariva no ampihobinao.

9Mamangy ny tany Hianao ka mahamando azy; mampahavokatra azy betsaka Hianao - Ny onin'Andriamanitra dia tondra-drano - Mamboatra vary ho an'ny olona Hianao; fa izany no famboatrao ny tany.

10Mahampoka ny tany voasa Hianao ka mampiravona azy; ranonorana mivatravatra no amontosanao azy; mitahy ny fitsimohany Hianao.

11Satrohanao voninahitra ny taona fitahianao; ary ny dianao mitete menaka.

12Vonton-drano ny fiandrasana ondry any an-efitra, ary misikina fifaliana ny havoana.

13Rakotra ondry ny saha; ary voasarona vary ny lohasaha: mihoby izy, eny, mihira koa.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help