Isaia 21 - Malagasy Bible(MG1865)

Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia

1Faminaniana ny amin'ny loza hanjo ny Efitra RanobeHeb. Ranomasina. Tahaka ny firimorimon'ny tadio any atsimo no fihaviny avy any an-efitra, dia avy any amin'ny tany mahatahotra.

2Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.

3Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian'ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.

4Niemponempona ny foko, nampahatahotra ahy ny horohoro; Ny hariva fahafinaretako nampodiny ho fangovitako.

5Velarina ny latabatra, miambinaNa: velarina ny tsihy ny mpiambina, mihinana sy misotro ny olona mitsangàna, ianareo lehibe, ka hosory ny ampinga!

6Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Mandehana, manendre tily; Ka izay hitany no aoka holazainy.

7Dia nahita izy ka indreo mpitaingina manao andiany mandeha tsiroaroa sy boriky andiany ary rameva andiany. Ary nihaino izy, eny, nihaino dia nihaino;

8Dia niantso nanao feon-diona izy ka nanao hoe: Tompo ô! izaho mijanona mandrakariva eto ambonin'ny fitazanako nony antoandro, Ary mitoetra eto amin'ny fiambenako aho mandritra ny alina;

9Koa, indreo, avy ny olona an-diany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarinHeb. sarin-javatra voasokitra'ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin'ny tany.

10Ry ahy voavely toy ny vary teo am-pamoloako ôHeb. zanaky ny famoloako! Izay efa reko tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, no nambarako taminareo.

11Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i EdomaHeb. Doma. Misy miantso ahy any Seira manao hoe: Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao ? Ry mpiambina ô, toy inona alina moa izao?

12Dia hoy ny mpiambina: Avy ny maraina, avy koa ny alina; Raha mbola ta-hanontany ianareo, dia manontania ihany; ka avia, miverenaNa: avia indray.

13Faminaniana ny amin'ny loza hanjo an'i Arabia. Any an'ala any Arabia no andrianareo, ry andian'ny Dedanita.

14Itondrana rano ny mangetaheta; Ny mponina amin'ny tany Tema mitsena hanina ny mandositra;

15Fa mandositra ny sabatra ireo, dia ny sabatra voatsoaka sy ny tsipìka voahenjana ary ny havesatry ny ady.

16Fa izao no nolazain'i Jehovah tamiko: Ato anatin'ny herintaona, tahaka ny taonan'ny mpikarama, dia ho levona avokoa ny voninahitr'i Kedara;

17Ary ny tsipìka sisa izay; an'ny lehilahy mahery, taranak'i Kedara, dia ho vitsy foana, fa Jehovah Andriamanitry ny Isiraely, ao efa niteny.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help