1Dia namaly Bildada Sohita ka nanao hoe.
2Fanapahana sy fampahatahorana no ao aminy, manao fihavanana any amin'ny avo Izy.
3Azo isaina va ny miaramilany? Ary fahazavan'iza no tsy ihoaran'ny AzyNa: Amin'iza no tsy iposahan'ny fahazavany??
4Ary aiza no hahamarina ny zanak'olombelona eo anatrehan'Andriamanitra? Ary aiza no hadio izay tera-behivavy?
5Indro, ny volana aza tsy mangarangarana, ary ny kintana aza tsy madio eo imasony;
6Koa mainka fa ny olombelona, izay kankana, ary ny zanak'olombelona, izay olitra.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.