Salamo 4 - Malagasy Bible(MG1865)

Fivavaky ny azom-pahoriana, sy fanantenany an'Andriamanitra

1Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Davida. Raha miantso aho, mamalia ahy, ry Andriamanitry ny fahamarinako ô; Raha tao an-katerena aho, dia nohalalahinao toerana; Mamindrà fo amiko, ka henoy ny fivavako.

2Ry lehibe, mandra-pahoviana no hataonareo ho henatra ny voninahitro, ary ho tia zava-poana sy hamoron-dainga ianareo?

3Kanefa aoka ho fantatrareo fa efa navahan'i Jehovah ho Azy ny tsara fanahyNa: fa efa nomen'i Jehovah voninahitra ny olo-masiny; Jehovah hihaino, raha miantso Azy aho.

4TezeraNa: Mangovita, fa aza manota; mieritrereta eo am-pandrianareo, ka mangina.

5Manatera fanati-pahamarinana,ary matokia an'i Jehovah.

6Maro no niteny hoe: iza no haneho soa antsika? Asandrato aminay ny fahazavan'ny tavanao, Jehovah ô.

7Efa nasianao fifaliana ny foko mihoatra noho ny tamin'ny taona nahabetsahan'ny variny sy ny ranom-boalobony.

8Handry amin'ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin'izay, satria Hianao, Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana irery tsy manana ahiahy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help