Salamo 54 - Malagasy Bible(MG1865)

Fangataham-pamonjena amin'Andriamanitra sy fahatokiana Azy, na dia be aza ny fahavalo

1Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida, fony tonga ny Zifita ka nanao tamin'i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo amin'ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao.

2Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin'ny vavako.

3Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an'Andriamanitra ho eo anatrehany izy.

4Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko.

5Hamaly ny ratsy ataon'ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy.

6Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy.

7Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny fahavaloko.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help