Isaia 35 - Malagasy Bible(MG1865)

1Ravoravo ny efitra sy ny tany karankaina, ary ny tani-hay mifaly sy mamony tahaka ny lilia.

2Mamony be dia be izy, eny, mifaly mihoby izy, ny voninahitr'i Libanona dia homena azy mbamin'ny hatsaran-tarehin'i Karmela sy Sarôna, dia hahita ny voninahitr'i Jehovah izy sy ny famirapiratan'Andriamanitsika.

3Ampaherezonareo ny tanana miraviravy, ary hatanjaho ny lohalika malemy.

4Lazao amin'izay rerakaHeb. maimaika am-po: Mahereza, aza matahotra, indro, Andriamanitrareo ho avy mitondra famaliana, dia ny famalian'Andriamanitra, eny, Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo.

5Dia hampahiratina ny mason'ny jamba, ary hampahaladina ny sofin'ny marenina.

6Dia hitsambikina tahaka ny diera ny mandringa, ary hihoby ny lelan'ny moana; Fa hiboiboika any an-efitra ny rano, ary hisy renirano any amin'ny tany karankaina.

7Ny alonalona mitarehin-dranony miraja dia ho tonga farihy tokoa, ary ny tany mangentana ho loharano miboiboika; Ny fonenana izay amitsahan'ny amboadiaNa: jakala dia haniry volotara sy zozoro.

8Ary hisy lalambe any dia lalana voavoatra, izay hatao hoe Làlan'ny fahamasinana; Tsy mba handia izany ny tsy madio, fa Jehovah homba azyNa: Fa ho an'ireo izy ka izay mandeha amin'ny lalana dia tsy ho diso any, na dia ny adala aza.

9Any tsy hisy liona sady tsy hiakaran'ny biby masiaka, tsy ho hita ao ireny; Fa ny navotana no handia azy.

10Eny, ny navotan'i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin'ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; Hahazo fifaliana sy faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help