Salamo 3 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny fahatokian'izay manana an'Andriamanitra ho Mpiaro. na dia be aza ny fahavalony

1Salamo nataon'i Davida, fony izy nandositra an'i Absaloma zanany. Jehovah ô, akory izato hamaroan'ny mampahory ahy! Maro no mitsangana hanohitra ahy.

2Maro no milaza ny fanahiko hoe: tsy manam-pamonjena amin'Andriamanitra izy.

3Kanjo Hianao, Jehovah ô, no ampinga manodidina ahy, Voninahitro sy mpanandratra ny lohako.

4Amin'ny feoko no iantsoako an'i Jehovah, ary any an-tendrombohiny masina no mamaly ahy Izy.

5Izaho nandry ka natory; nifoha aho, satria Jehovah no manohana ahy.

6Tsy hatahotra olona alinalina aho, izay milahatra manodidina hamely ahy.

7Mitsangàna, Jehovah ô; vonjeo aho, Andriamanitro ô; fa efa namely ny takolaky ny fahavaloko rehetra Hianao; ny nifin'ny ratsy fanahy novakivakinao.

8An'i Jehovah ny famonjena; Ho amin'ny olonao anie ny fitahianaoNa: Ho amin'ny olonao ny fitahianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help