Salamo 142 - Malagasy Bible(MG1865)

Vavaka ataon'izay foin'ny sakaizany sady enjehin'ny fahavalony

1Maskila nataon'i Davida tamin'izy tao anaty lavaka. Fivavahana. Ny feoko no itarainako amin'i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin'i Jehovah.

2Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako.

3Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin'ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy.

4Jereo eo an-kavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko.

5Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin'ny tanin'ny velona.

6Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin'ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.

7Avoahy hiala amin'ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help