Tonon-kiran'i Solomona 4 - Malagasy Bible(MG1865)

1Endrey, tsara tarehy ianao, ry tompokovavy havako! Endrey, tsara tarehy ianao! Ny masonao dia voromailala eo amin'ny fisalobonanaoNa: volonao milantolanto; Ny volonao dia tahaka ny osy andiany, izay mandriandry eny an-kilan'ny tendrombohitr'i Gileada.

2Ny nifinao dia tahaka ny ondrivavy andiany efa voahety, izay miakatra avy eo amin'ny fampandroana; Samy kambana avy ireo, fa tsy misy tsy mana-namana.

3Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanaoHeb. fitenenanao; Tahaka ny hasin'ampongaben-danitra ny takolakao eo amin'ny fisalobonanaoNa: volonao milantolanto,

4Ny vozonao dia tahaka ny tilikambon'i Davida, natao ho trano fihantonam-piadiana; Ampinga arivo no voahantona eo, dia ny ampinga rehetra an'ny lehilahy mahery.

5Ny nononao roa dia toy ny diera kambana mbola tanora, izay homana eny amin'ny lilia.

6Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandroHeb. mandositra ny aloka, dia handeha aho ho any amin'ny tendrombohitry ny miora sy ny havoan'ny ditin-kazo mani-pofona.

7Tsara avokoa izato bikanao izato, ry tompokovavy havako; Tsy misy kilema ianao.

8Hiaraka amiko avy any Libanona ianao, ry ampakariko, eny, hiaraka amiko avy any Libanona, hitazana eny an-tampon'i Amana, eny an-tampon'i Senira sy Hermona, eny an-davaky ny liona, eny an-tendrombohitry ny leoparda.

9Efa lasanao ny foko, ry havakoHeb. ampakariko ampakariko, efa lasanao ny foko tamin'ny masonao an-ila sy tamin'ny rojo anankiray amin'ny vozonao.

10Akory ny hatsaran'ny fitiavanao, ry havakoHeb. ampakariko ampakariko! Akory ny hatsaran'ny fitiavanao! eny, tsara noho ny divay! Ary ny fofon'ny menaka manitrao dia mihoatra noho ny zava-manitra rehetra!

11Mitete tantely toy ny avy amin'ny tohotra ny molotrao, ry ampakariko; Tantely sy ronono no ao ambanin'ny lelanao, ary ny fofon'ny fitafianao dia tahaka ny fofon'i Libanona.

12Saha voahidy ny havakoHeb. anabaviko ampakariko, loharano voahidy, fantsakan-drano voaisy tombo-kase.

13Hianao no saha anirian'ny ampongaben-danitra tsara voa, sady misy kofera sy narda,

14Eny, narda sy safrona, veromanitra sy havozomanitra sy ny hazo misy ny ditin-kazo mani-pofona rehetra. Miora sy hazo manitraHeb. ahalota Mbamin'ny zava-manitra tsara rehetra;

15Loharano ao an-tanimboly ianao, loharano miboiboika, ary renirano kely avy any Libanona.

16Mifohaza, ry rivotra avy any avaratra; avia, ry avy any atsimo, Mitsofa eny an-tsahako hielezan'ny fofony manitra. Aoka ny malalako hankatỳ an-tanimboliny ka hihinana ny voankazony tsara.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help