Salamo 127 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny fahatsinontsinon'ny ataon'ny olona, raha tsy ambinin'Andriamanitra

1Fihirana fiakaranaNa: Fihirana misy hevitra ambaratonga. Nataon'i Solomona. Raha tsy Jehovah no manao ny trano, Dia miasa foana ny mpanao azy. Raha tsy Jehovah no miambina ny tanàna, Dia miari-tory foana ny mpiambina.

2Zava-poana ho anareo ny mifoha maraina Sy ny alim-pandry Ka homana ny hanina azo amin'ny fahasahiranana; Izany anefa dia omeny ihany ho an'ny malalany, na dia matory aza izy.

3Indro, lova avy amin'i Jehovah ny zanaka maro; Tamby ny ateraky ny kibo.

4Tahaka ny zana-tsipìka eo an-tànan'ny mahery Ny zanaky ny fahatanorana.

5Sambatra izay mameno ny tranon-jana-tsipìkany amin'ireny; Tsy ho menatra ireny, raha mifamaly amin'ny fahavalo eo am-bavahady.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help