Salamo 128 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny hatsaran'ny tokan-tranon'ny olona matahotra an'Andriamanitra

1Fihirana fiakaranaNa: Fihirana misy hevitra ambaratonga. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.

2Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao.

3Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao.

4Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah.

5Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao.

6Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help