1 Mpanjaka 4 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny amin'ny mpanao raharaham-panjakana, ary ny voninahitr'i Solomona sy ny fahendreny

1Ary nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra Solomona mpanjaka.

2Ary izao no lehibe tao aminy: Azaria, zanak'i Zadoka, no mpisoronaNa: zanak'i Zadoka mpisorona;

3Elihorefa sy Ahia, zanak'i Sisa, no mpanoratra; Josafata. zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaha-mpanjakana;

4ary Benaia, zanak'i Joiada, no komandin'ny miaramila; ary Zadoka sy Abiatara no mpisorona;

5ary Azaria, zanak'i Natana, no lehiben'ny olona voatendry; ary Zaboda, zanak'i Natana, no mpanolotsainaHeb. mpisorona, sakaizan'ny mpanjaka,

6ary Ahisara no lehiben'ny tao an-dapa; ary Adonirama, zanak'i Abda, no komandin'ny mpanao fanompoana.

7Ary Solomona nanendry roa ambin'ny folo lahy ho amin'ny Isiraely rehetra hiadidy ny zavatra rehetra nilain'ny mpanjaka sy ny ankohonany; samy niadidy ny iray volana avy amin'ny herintaona izy.

8Ary izao no anarany: Beni-hora tany amin'ny tany havoan'i Efraima;

9Beni-dakera tao Makaza sy tao Salbima sy Beti-semesy ary Elon-beti-hanana;

10Beni-haseda tao Arobota; Soko sy ny tany Hefera rehetra no azy;

11Ben'abinadaba tao amin'ny havoan'i Dora rehetra (Tafata, zanakavavin'i Solomona, no vadiny);

12Bana, zanak'i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan'i Zaretana, ambanin'i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr'i Jokneama no azy.

13Beni-gabera tao Ramota-gileada; ny tanàna madinika an'i JaïraHavota-jaïra; izahao Nom. xxxii. 41, zanak'i Manase, izay any Gileada, no azy; azy koa ny tany Argoba, izay any Basana, dia tanana enim-polo lehibe nisy manda sy hidy varahina;

14Ahinadaba, zanak'Ido, tany Mahanaima;

15Ahimaza tany Naftaly; izy kosa nanambady an'i Basemata, zanakavavin'i Solomona;

16Bana, zanak'i Hosay, tany Asera sy Alota;

17Josafata, zanak'i Paroa, tany Isakara;

18Simey, zanak'i Ela, tany Benjamina;

19Gabera, zanak'i Ory, tany amin'ny tany Gileada, tanin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy Oga, mpanjakan'i Basana; ary izy ihany no voatendry ho amin'izany tany izany.

20Ary ny Joda sy ny Isiraely dia maro, tahaka ny fasika amoron-dranomasina ny hamarony, sady mihinana sy misotro ary mifaly.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help