Ohabolana 28 - Malagasy Bible(MG1865)

1Ny ratsy fanahy mandositra, na dia tsy misy manenjika aza; Fa ny marina kosa dia matoky toy ny liona tanora.

2Ny fahotanNa: fikomian''ny tany mahamaro mpanapaka; Fa ny fisian'ny olona manan-tsainaNa: manan-tsaina sady mahalala rariny kosa no mampahateza ny fanjakanaNa: Fa noho ny manan-tsaina no haharetan'ny fahamarinana.

3Ny malahelo izay mampahory ny mahantra Dia toy ny ranonorana izay manindao ka tsy maha-misy hanina.

4Izay mahafoy ny lalàna dia mandoka ny ratsy fanahy; Fa izay mitandrina ny lalàna dia mirehitra amin'ny fanoherana azy.

5Ny ratsy fanahy dia tsy mahalala rariny; Fa izay mitady an'i Jehovah no mahalala ny zavatra rehetra.

6Ny malahelo izay mandeha amin'ny fahitsiany Dia tsara noho ny manan-karena izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika.

7Izay mitandrina ny lalàna no zanaka hendry; Fa izay misakaiza amin'ny mpandany harena dia manome henatra ny rainy.

8Izay mampitombo ny fananany amin'ny zana-bola sy ny tombony Dia mamory ho an'izay miantra ny malahelo

9Izay manentsin-tadiny tsy hihaino ny lalàna, Na ny fivavahany aza dia fahavetavetana.

10Izay mampivily ny mahitsy ho amin'ny lalan-dratsy Dia ho lavo amin'ny lavaka nataony; Fa ny tsy misy tsiny no handova ny soa.

11Ny manan-karena manao azy ho hendry; Fa ny malahelo izay manan-tsaina dia hizaha toetra azy.

12Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratraNa. mitsangana kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.

13Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; Fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindram-po.

14Sambatra izay olona matahotra mandrakariva; Fa izay manamafy ny fony no hidiran-doza.

15Liona mierona sy bera miremby Ny mpanapaka ratsy fanahy amin'ny olona reraka.

16Ny mpanapaka tsy ampy saina dia mahery mampahory; Izay mankahala ny fieremana no ho ela velona.

17Izay itambesaran-keloka noho ny fandatsahan-drà dia handositra hatrany an-davaka; Aoka tsy hisy hihazona azy.

18Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin'ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.

19Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina Fa izay manaraka ny olom-poanaNa: zava-poana ho voky alahelo kosa.

20Izay olona mahatoky tokoa dia ho be fitahiana; Fa izay maimay ta-hanan-karena dia tsy maintsy hohelohina.

21Tsy mety raha mizaha tavan'olona; Kanefa na dia amin'ny sombin-kanina ihany aza dia sahin'ny olona hanotana.

22Ny mpialona dia maimay ta-hanan-karena; Tsy fantany fa hanjo azy ny alahelo.

23Izay mananatra olona no hahazo fitia be rahatrizay Noho izay mandrobo amin'ny lelany.

24Izay mandroba ray sy reny Ka manao hoe: Tsy heloka izany, Dia naman'ny mpanimba.

25Izay mierinaNa: miavonavona am-po manetsika ady; Fa izay matoky an'i Jehovah dia hohatavezina.

26Izay matoky ny fony dia adala; Fa izay mandeha amin'ny fahendrena no ho afa-miala.

27Izay manome ny malahelo tsy hanan-java-mahory; Fa izay mitampi-maso hahazo ozona be;

28Raha misandratraNa: mitsangana ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka; Fa raha ringana kosa izy, dia mihamaro ny marina.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help