Zakaria 7 - Malagasy Bible(MG1865)

Valin'ny fanontanian'ny avy any Betela ny amin'ny andro fifadiana, ary filazana ny loza hamelezan'i Jehovah ny olony, sy ny mbola hitahiany azy

1Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Dariosa no nahatongavan'ny tenin'i Jehovah tamin'i Zakaria, tamin'ny andro fahefatra tamin'ny volana fahasivy (Kisleva izany);

2ary Betela efa naniraka an'i Serezera sy Regema-meleka sy ny olonyna: ary ny any Betela, dia Serezera... efa naniraka hifona amin'i Jehovah

3ka hiteny amin'ny mpisoron'ny tranon'i Jehovah, Tompon'ny maro, sy amin'ny mpaminany hoe: Hitomany amin'ny volana fahadimy va aho ka hifady toy ny fanaoko tamin'ny taon-dasa ela?

4Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah, Tompon'ny maro, nanao hoe:

5Lazao amin'ny vahoaka rehetra amin'ny tany sy amin'ny mpisorona hoe: Raha nifady hanina sy nitomany tamin'ny volana fahadimy sy ny fahafito tamin'izao fito-polo taona izao, ianareo moa nifady ho Ahy va ianareo?

6Ary raha mihinana sy misotro ianareo. moa tsy mihinana sy misotro ho an'ny tenanareo ihany va ianareona: moa tsy ianareo ihany va no mihinana sy misotro?

7Moa tsy tokony ho nihaino ny teny izay nasain'i Jehovah nantsoin'ny mpaminany fahiny va ianareo, fony mbola nonenana sy nandry fahizay Jerosalema sy ny zana-bohiny manodidina azy, sady nonenana koa ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsirakana: sefela?

8Ary tonga tamin'i Zakaria ny tenin'i Jehovah nanao hoe:

9Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Manaova fitsarana marina, ary samia mifampiantra sy mifamindra fo amin'ny rahalahiny avy;

10ary aza mampahory ny mpitondratena na ny kamboty, na ny vahiny, na ny mahantra; ary aza misy mihevitra ao am-ponareo hanisy ratsy ny rahalahinareo ianareo.

11Nefa tsy nety nihaino ireny, fa nampihemotra ny sorony, ary nataony lalodalovana ny sofiny; mba tsy handre.

12Eny, nanao ny fony ho mafy,toy ny diamondra Izy, mba tsy hihaino ny lalàna sy ny teny izay nampitondrain'ny Fanahin'i Jehovah, Tompon'ny maro, holazain'ny mpaminany fahiny, ka dia tonga izay fahatezerana mafy avy tamin'i Jehovah, Tompon'ny maro,

13Koa toy ny niantsoan'ireny, fa tsy nohenoiny, dia ho toy izany no hiantsoany kosa, fa tsy hohenoiko, hoy Jehovah, Tompon'ny maro;

14fa haeliko amin'ny tafio-drivotra ho any amin'ny firenena rehetra izay tsy fantany izy. Toy izany no nahalao ny tany tao aoriany, ka tsy nisy olona nandroso na niverina; fa nahatonga ny tany mahafinaritra ho tany lao izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help