Salamo 63 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny hetahetan'ny fanahy maniry an'Andriamanitra

1Salamo nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano;

2Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao.

3Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao.

4Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako.

5Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao.

6Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina.

7Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako.

8Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana.

9Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy;

10Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolovolpa izy.

11Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help