1Fihirana fiakaranaNa: Fihirana misy hevitra ambaratonga. Jehovah no nitarainako tamin'ny fahoriako dia namaly ahy Izy,
2Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga, Eny, amin'ny lela mamitaka
3Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka?
4Zana-tsipìkan'ny mahery sady voaranitra, Mbamin'ny vain'afon'anjavidyIzahao 1 Mpan. xix. 4.
5Lozako, fa mivahiny eto amin'ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain'ny Kedarita!
6Ela loatra izay no nitoeran'ny fanahiko teo amin'Izay tsy tia fihavanana.
7Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.