1Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
2Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
3Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao.
4Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko?
5Manimba ny raharahako mandra-kariva irenyNa: Mamily ny teniko mandrakariva ireny; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.
6Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
7Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany vaNa: Ny faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.
8Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny?
9Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
10Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
11Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko?
12Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
13Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velonaNa: fahazavan'aina.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.