Salamo 30 - Malagasy Bible(MG1865)

Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ainy

1Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho.

2Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao.

3Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hitaHeb: Sheola Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.

4Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anaranyHeb: fahatsiarovana masina.

5Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana.

6Ary hoy izaho, raha mbola niadanaHeb: Na: noho ny fiadanako: tsy hangozohozo mandrakizay aho.

7Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho.

8Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe:

9Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany?

10Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao.

11Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,

12Mba hankalazan'ny fanahikoHeb: voninahitro Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help