Salamo 108 - Malagasy Bible(MG1865)

Fahatokiana an'Andriamanitra sy fanantenana ny heriny haharesy ny fahavalo

1Tonon-kira. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, tafatoetra ny foko; Ny fanahikoHeb. ny voninahitro no hihira sy hankalaza.

2Mifohaza, ry valiha sy lokanga; hifoha maraina koa ahoNa: hampifoha ny maraina aho.

3Hidera Anao eny amin'ny firenena maro aho, Jehovah ô, Ary hankalaza Anao eny amin'ny jentilisa.

4Fa lehibe mihoatra ny lanitra ny famindram-ponao; Ary mipaka eny amin'ny rahona ny fahamarinanao.

5Misandrata any ambonin'ny lanitra Hianao, Andriamanitra ô; Ary aoka ho etỳ ambonin'ny tany rehetra ny voninahitrao.

6Mba hahafaka ny malalanao, Dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio.

7Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: Hifaly Aho ka hizara an'i Sekema, Ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko;

8Ahy Gileada, Ahy Manase; Ary aron'ny lohako Efraima; Tehim-panjakako Joda;

9Tavindranoko fanasana Moaba; Edoma no hanipazako ny kapako; noho ny amin'i Filistia ho hihobiako.

10Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? Iza no hitarika ahy ho any Edoma?

11Tsy Hianao va no efa nanary anay, Andriamanitra ô, Sady tsy mivoaka miaraka amin'ny miaramilanay, Andriamanitra ô?

12Vonjeo amin'ny fahavalo izahay; Fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona.

13Andriamanitra no haharezan-tsika; Fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help