Salamo 149 - Malagasy Bible(MG1865)

Haleloia ho an'i Jehovah, Izay aherezan'ny olony

1Haleloia. Mihirà fihiram-baovao ho an'i Jehovah, Ny fiderana Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona masina.

2Aoka ny Isiraely hifaly amin'ny Mpanao azy; Aoka ho finaritra amin'ny Mpanjakany ny zanak'i Ziona.

3Aoka hidera ny anarany amin'ny dihy izy Sy hankalaza Azy amin'ny ampongatapaka sy ny lokanga.

4Fa sitrak'i Jehovah ny olony; Ravahany famonjena ny mpandefitra.

5Aoka ny olona masina hifaly amin'ny voninahitra; Aoka hihoby tsara eo am-pandriany izy.

6Aoka hisy fanandratana an'Andriamanitra eo am-bavany Sy sabatra roa lela eny an-tànany,

7Hamaliany ny Jentilisa Sy hamaizany ny firenena maro,

8Hamatorany ireo mpanjakany amin'ny gadra, Sy ny olo-malazany amin'ny gadra vy.

9Mba hanaovany ny fitsarana voasoratra: Voninahitry ny olony masina rehetra Izany. Haleloia.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help