Salamo 16 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny fahatokiana an'Andriamanitra, Izay fototry ny soa, na dia tonga aza ny fahoriana sy ny fahafatesana

1Miktama nataon'i Davida. Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho.

2Hoy izaho ny amin'i Jehovah: Tompoko Hianao; tsy misy soa ananako azo oharina aminao;

3Ary ny amin'ny olona masina ambonin'ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindraNa: Dia izaho sy ny olona ambonin'ny tany, Ary ny olona tsara laza izay sitrako indrindra.

4Ho be ny fahorian'izay manova an'Andriamanitra hatakalony ny hafa. Tsy mba hanatitra ny fanati-drà aidiny aho, ary tsy mba hotononin'ny molotro ny anarany.

5Jehovah no anjara lovako sy kapoakako; Hianao no mampaharitra ny anjarako.

6Ny voafaritra ho anjarako dia eo amin'ny tany mahafinaritra; eny, manan-dova tsara aho.

7Hisaotra an'i Jehovah Izay manome saina ahy aho; ary na amin'ny alina aza dia mananatraNa: mamporisika ahy ny fokoHeb: voako.

8Ataoko eo anatrehako mandrakariva Jehovah, fa eo an-kavanako Izy, ka dia tsy hangozohozo aho.

9Izany no ifalian'ny foko sy iravoravoan'ny fanahikoHeb: voninahitro; eny, ny nofoko aza hitoetra tsy manana ahiahy.

10Fa tsy ho foinao ho any amin'ny fiainan-tsi-hitaHeb: Sheola ny aiko; tsy hamela ny Iray Masinao ho latsaka ao amin'nyHeb: hahita lavakaNa: ho tratry ny lò Hianao.

11Hampahafantatra ahy ny lalan'aina Hianao; fa havokisam-pifaliana no eo anatrehanao, ary fahafinaretana no eo an-tananao an-kavanana mandrakizay.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help