1Fihirana fiakaranaNa: Fihirana misy hevitra ambaratonga. Fony Jehovah nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika.
2Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin'ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho an'ireny.
3Eny, zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika.
4Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin'ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan'ny riaka any amin'ny tany atsimo.
5Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana.
6Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa.
Who We AreWhat We EelieveWhat We Do
2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.