Salamo 84 - Malagasy Bible(MG1865)

Alahelo ny tranon'Andriamanitra

1Ho an'ny mpiventy hira. Al-hagitith. Salamo nataon'ny Koraita. Endrey ny hatsaran'ny tabernakelinao, Jehovah, Tompon'ny maro, ô!

2Manina sady vonton'alahelo ny kianjan'i Jehovah ny fanahiko; ny foko sy ny nofoko mihoby an'Andriamanitra velona.

3Eny, ny tsikirity mahita trano, ary ny sidintsidina mahita akany ho azy hametrahany ny zanany. Dia ny alitaranao, Jehovah, Tompon'ny maro ô, Mpanjakako sy Andriamanitro.

4Sambatra izay mitoetra ao an-tranonao; hidera Anao mandrakariva izy.

5Sambatra izay olona manan-kery avy aminao; ao am-pony ny lalana;

6Raha mandeha mamaky ny lohasaha BakaBaka = Fitomaniana izy, Dia ataony misy loharano izany, ary ny loha-orana manarom-pitahiana azy.

7Miampy hery eny am-pandehanana izy; samy miseho eo anatrehan'Andriamanitra any Ziona izy rehetra.

8Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, henoy ny fivavako; mandrenesa ry Andriamanitr'i Jakoba ô.

9Andriamanitra, Ampinganay ô, tsinjovy ka jereo ny tavan'ny voahosotrao.

10Fa ny indray andro eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo; aleoko mipetraka eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tranon'Andriamanitra, toy izay mitoetra ao an-dain'ny ratsy fanahy.

11Fa Masoandro sy Ampinga Jehovah Andriamanitra; fahasoavana sy voninahitra no homen'i Jehovah; tsy hiaro zava-tsoa amin'izay mandeha amin'ny fahitsiana izy.

12Jehovah, Tompon'ny maro ô, sambatra izay olona matoky Anao.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help