Joba 37 - Malagasy Bible(MG1865)

1Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin'ny fitoerany.

2Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany.

3Mandefa izany ho eny ambanin'ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatraHeb. fahazavany hatramin'ny faran'ny tany.

4Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra.

5Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy.

6Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy.

7MampiohonaHeb. manisy tombo-kase ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;

8Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany.

9Avy any atsimoHeb. efi-trano ny tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratraHeb. avy amin'ireo mpanahakahaka ny hatsiaka.

10Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka.

11Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatraHeb. fahazavany dia ampieleziny;

12Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izaoNa: Eny ambonin'izao tontolo izao ho amin'ny tany,

13Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosaNa: alatsany ho famaizana, na hahasoa ny taniny, na ho famindram-po.

14Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra.

15Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatryHeb. fahazavany ny rahony?

16Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana?

17Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo,

18Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina?

19Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina,

20Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levonaHeb. miteny ta-hatelina tokoa va?

21Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany.

22Avy any avaratra no ihavian'ny mazava mitarehim-bolamenaHeb. ihavian'ny volamena; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.

23Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahoryNa: mamaly.

24Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendryHeb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra Izy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help