Salamo 62 - Malagasy Bible(MG1865)

Fiantombenan'ny fanahy izay manantena an'Andriamanitra, na dia mafy aza ny famelin'ny fahavalo

1Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy.

2Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho.

3Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona;

4Misaina hanongana azy hiala amin'ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin'ny vavany izy, fa manozona amin'ny fony.

5Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko.

6Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho.

7Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra.

8Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika.

9Zava-poana tokoa ny ambany, ary lainga ny ambony; raha hatao amin'ny mizana izy, dia maivana; zava-poana mihitsy izy.

10Aza matoky ny fanaovana an-keriny, ary aza miantehitra amin'ny halatra; raha mitombo ny harena, dia aza anorenana ny fonareo.

11Indray mandeha no nitenenan'Andriamanitra; indroa no nandrenesako hoe: an'Andriamanitra ny hery.

12Ary Anao koa, ry Tompo ô, ny famindram-po, fa Hianao no mamaly ny olona rehetra araka ny asany avy.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help