Salamo 75 - Malagasy Bible(MG1865)

Ny fahakaikin'ny Mpitsara, sy ny kapoaky ny fahatezerany

1Ho an'ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona.

2Fa ho avy tokoa amin'ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina.

3Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny.

4Hoy izaho tamin'ny mpirehareha: aza mireharehaNa: Hoy izaho tamin'ny adala: Aza manao adala, ary tamin'ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;

5Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin'ny fahamafian-katoka.

6Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratanaNa: Na avy amin'ny efitra ny tendrombohitra no ihavian'ny fitsarana.

7Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa.

8Fa misy kapoaka eo an-tànan'i Jehovah, feno divay mandroatraNa: mena miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin'ny tany dia hitroka ny faikany.

9Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an'Andriamanitr'i Jakoba.

10Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.

Blog
About Us
Message
Site Map

Who We AreWhat We EelieveWhat We Do

Terms of UsePrivacy Notice

2025 by iamachristian.org,Inc All rights reserved.

Home
Gospel
Question
Blog
Help